airtel

Fifamoivoizana

20-avril-2022

Fifamoivoizana

Ambohitrimanjaka Naratra mafy ilay mpitondra moto nofandrihina tamin’ny tady

Sample post image

Taorian’ilay tovolahy iray novonoina sady nalaina ny moto-ny, tranga niseho teny Ambohitrimanjaka herinandro maromaro lasa izay dia zazalahy kely iray nitondra moto indray omaly no nisy nanakana

20-avril-2022

 tamin’ny tady ka naratra mafy. Raha araka ny loharanom-baovao dia niezaka nandeha mafy ity tovolahy kely ity mba hamonjy fodiana, mbola teny Ambohitrimanjaka ihany. Efa nametraka velam-pandrika anefa ireo olon-dratsy ka natsipin’ilay tady nanakana ny lalana nandehanany ity tovolahy kely ity. Naratra mafy vokatr’izany izy ka voatery naiditra hopitaly. Mitaraina noho izany ireo mpampiasa moto na kodiaran-droa. Ohatra ny teny am-piandohana ihany mantsy no nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny mpitandro ny filaminana fa rehefa nangingina izany dia nipetraka indray izy ireo. Ireo mpanao ratsy anefa eo an-daniny tsy mitsahatra manao ny hataony ka ahiana hahafaty olona hatrany.

Nangonin’i Pati

Legende : Naratra mafy tahaka izao ity tovolahy kely ity
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap