airtel

Fifamoivoizana

17-déc-2021

Fifamoivoizana

Ambondromamy Kamio tapaka hisatra namono olona maro

Sample post image

Nandriaka indray ny rà omaly tany amin’ny RN4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga iny. Kamio lehibe be iray tapaka hisatra (frein)

17-déc-2021

 no namantana tany an-tanànan'olona tao Ambondromamy omaly atoandro io. Gorobaka tanteraka ny trano goavana, ary nohitsahina avokoa izay hitsiny na ny tao anatiny na ny taty ivelany. Avy any amin’ny RN6 nipaka tamin’ny RN4 iny izy io no tra-doza. Vokany, olona maro no maty, nisy koa naratra mafy. Nifampisokirina tany ambany kamiao ny ankamaroany, ka tamin’ny fotoana nanoratanay, dia voalaza fa mbola nisy ny nifampisokirana. 3 ny olona namoy ny ainy raha kely indrindra, araka ny vaovao vonjimaika.
Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap