airtel

Fifamoivoizana

27-avril-2026

AMBONDROMAMY-RN 4

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

Sample post image

Takrsibrosy iray, marika Sprinter

27-avril-2026

ao amin'ny zotra nasionaly no fantatra fa nirehitra ka levon’ny afo tanteraka tany amin’ny lalam-pirenena faha-efatra, 30 km mialohan'ny hidirana an’Ambondromamy ny faran'ny herinandro teo. Tsy nisy afaka nanampy ireo olona tao an-toerana hoy ny vaovao fa dia nijery maso fotsiny. Tsy nisy rano na fasika mantsy teo amin'ilay toerana nitrangan'ny loza no sady tsy nisy trano akaiky nahafahana niantso vonjy ihany koa. Ny hany natao hoy ny vaovao dia nijery lavitra sy niala haingana fotsiny. May vokatr'izany avokoa ny entana rehetra nentin'ilay fiara. Mbola tsy fantatra mazava moa hatramin'ny fotoana nanoratanay omaly hariva ny antony nahatonga ny loza. Ny hany eritreritry ny mpamily kosa dia mety nisy zavatra kely nidona tao amin’ny motera ka nitarika ny firehetana. An-tapitrisany ny teti-bidin'ny entana may. Afaka nivoaka haingana daholo kosa ny olona ka tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy.
Nangonin'i Pati
Légende : Rotiky ny afo tahaka izao ilay taxi-brousse !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

familiviliana ny afera Boeing 777 »

Card image cap
19-juin-2026

miverina misokatra ny ENEAM

Card image cap