airtel

Fifamoivoizana

24-mars-2022

Fifamoivoizana

Ampangambe Ambohitrimanjaka Ramatoa iray maty voahitsaky ny kamiao

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly maraina teny Ampangabe Ambohitrimanjaka. Ramatoa iray mpaka rindra hanaovana rary manodidina ny 60 taona handeha hamonjy fodiana no maty nitsahin’ny kamiao

24-mars-2022

 mpitaona biriky teo amin’ny tetezan’Andohavato. Potika tanteraka ny lohan'io ramatoa io izay fantatra fa niezaka ny niala ilay tetezana ihany saingy tsy afaka. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso rahateo dia nandeha mafy ity kamiao iray ity. Ilay tetezana rahateo tsy misy arofanina no sady ary efa nahitan-doza matetika. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny hanamboarana ity tetezana ity araka izany ny mponina. Efa noraisin’ny mpitandro ny filaminana an-tanana kosa ilay mpamily raha mbola hangatahin’ny mponina ihany koa ny hametrahana fepetra manokana mikasika ireo fiara mandeha mafy hisorohana ny famoizan’aina tahaka izao. Karazana zava-maniry hanamboarana tsihy moa ny rindra raha tsiahivina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny lohan’ity Renim-pianakaviana ity mihitsy no notetezin’ilay kamiao !
 

Dans la même rubrique