airtel

Fifamoivoizana

27-janv-2026

AMPANOTOKANA MAHITSY

Kodiaran-droa nandeha mafy nandona fiara

Sample post image

Nitrangana lozam-pifampivoizana ny

27-janv-2026

datin'ny 25 Janoary teo tamin'ny 04 ora sy 45 minitra folakandro tany amin'ny lalam-pirenena faha-efatra PK 33 + 100, Fokontanin' Andohanimasina, kaominîna ambanivohitr' Ampanotokana, Distriian'Ambohidratrimo. Mpitondra kodiaran-droa avy any Andranovelona ho any Mahitsy no nifandona tamin'ny fiara fitateram-bahoaka avy any Mahitsy ho any Anjomoka izay nifanena taminy.Naratra mafy vokatr'izany ilay mpitondra kodiaran-droa. Tsy nisy ahiana kosa ny ain'ireo mpandeha tao anaty fiara. Vokatry ny fandehanana mafy loatra nataon'ny mpamily kodiaran-droa.no voalaza ho nahatonga ny loza. Lohalaharana amin'izany ny tsy fahafehezana ny familiana sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola. Efa nentin'ireo namany namonjy hopitaly moa ny naratra. Ara-dalàna ny tarasin'ny fiara raha toa ka tsy misy antontan-tarasy azo nojerena kosa ny an'ilay kodiaran-droa.
Pati

Légende : Nandritra ny loza nitranga !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

Card image cap
05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap