airtel

Fifamoivoizana

19-sept-2022

Fifamoivoizana

Analakely Nietraketraka ilay mpamily fiara takelaka mena

Sample post image

Mampalahelo raha tahaka izao daholo ny toe-tsain'ireo mitondra fiara takelaka mena, hoy ny Raim-pianankaviana iray, izay nitatitra ny tranga ambarany fa nahazo ny vady aman-janany teo Anakalely anoloan’ny Aigle d'or ny sabotsy

19-sept-2022

teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. “Naka parking teo amin'ny Aigle d'or ny fiara nitondra ny vady aman-janako, efa tafiditra ny lohan'ny fiara. Nisy io 4x4 “pick-up” fotsy io nidina avy any, tampoka teo anefa nihemotra mafy be izy ary tsy mijery izay fiara tao aoriany akory ary nodominy ny fiara. Nivoaka madamako nijery ny fiara ary dia izy indray no avo vava naandrahona azy ary naika hikasi-tanana. Nitsoaka tao amin’ny ilay tranombarotra madamako sy ny zaza kely dia mbola narahany hokasihiny tànana fa maka sary ny takelaky ny fiarany, ka ny sécurité-n’ny Tranombarotra no nanakana azy ary niaro azy mianakavy”, hoy ny fitantarana. Nasehony moa ny takelak’ilay fiara mitondra ny laharana 3892T….. Tsy aiko aloha na ianao no “titulaire”-n’ny fiara na natao hitondra fotsiny fa ny mampalahelo ahy dia ilay herisetra nataonao ny vady aman-janako. Satria ve vehivavy sy zaza kely 4 taona dia anaovanao toetra tsy zaka tahaka izany? Miantso ny tompon'andraikitra amin'izay minisitera na sampan-draharaha hiasany Aho mba hananatra azy. Azonao tsara an-tsaina ny horohoro na “traumatisme” naterakin’izany zavatra nataonao tamin’ny vady aman-janako. Ny zanako kely mitantara hoe : papà , papà misy “tonton méchant” mikapoka maman. Ny fahasimban’ny fiarako azo harenina ary tsy hampiova ny fiainanay na tsy handray andraikitra ianao fa ilay herisetra nataonao ny vady amanjanako kosa tsy lefitro”. Tsy hijanona hatreto akory aho fa mbola hitohy ny tantara. Nataoko hiomananao fotsiny ity fa resaky ny samy misy volombava ny tohiny”, hoy hatrany io raim-pianakaviana io. Anisan’ny manaratsy endrika ny Fanjakana ny toe-javatra tahaka izao, ary tsy vao sambany ny tranga tahaka itony. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha na koa ny mety ho fanazavana sy setriny avy amin’ny andaniny manoloana ity toe-javatra ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap