airtel

Fifamoivoizana

24-mars-2026

Andohan’Analakely sy Ambohijatovo

« Aleo hiverina toy ny

Sample post image

teo aloha ny fifamoivoizana !»

24-mars-2026

Baiko mihitsy fa tsy fiangaviana no omeko, hoy ny mpamily fiarakaretsaka iray eto Antananarivo renivohitra. Aleo ilay fifamoivoizana eo andohan'Analakely sy Ambohijatovo mba hiverina toy ny teo aloha, hoy izy. Ny avy any Ambohijatovo sy Mandrosoa dia manintsy miakatra raha ho any Antaninarenina fa tsy ahodina any andohan'Analakely. Ny fiara avy any Anosy ka hamonjy an'Analakely dia mahintsy avy hatrany fa tsy ahodina eny Ambohijatovo. Sady tsy mety amin'ireo Jiro teloloko na «Feux tricolores» izay mibaiko ny fandrindràna fifamoivoizana hatrany Soarano raha mbola io andohan'Analakely izao io, hoy hatrany ny tenany. Saika nilaza ho sahirana amin’ity fandrindrana fifamoivoizana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao ity avokoa moa, tetsy ankilany, ireo mpampiasa lalana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique