airtel

Fifamoivoizana

15-nov-2021

Fifamoivoizana

Andranonahoatra Efa tsy fanao ianao intsony lalana

Sample post image

Fahasimban’ny fiara, fitohanan’ny fifamoivoizana, fahatarana, loza…ireo no ateraky ny fahasimban’ny lalana, tahaka ny hita eny Andranonahoatra – Itaosy.Nivadika ho lavaka ny lalana eo amin’ny “4 chemins”

15-nov-2021

sampanan’i Vinany no hahafantaran’ny maro azy, ary mitoraka miankandrefana mankany Itaosy Hopitaly; misy fahasimbana maromaro ihany koa ny midina hatreny amin’ny toby fivarotan-tsolina Galana Andranonahoatra.Tsara ho marihana fa nisy fotoana efa namboarina io lalana io, ka ny kaominina Ambavahaditokana no niandraikitra azy tamin’izany fotoana; 3 taona lasa teo izay.Tsy nisy intsony kosa ny fikojakojana taorian’izay ka niatomboka tamina lavaka bitika ny fahasimbana dia izao efa lasa lavaka be maromaro izao.Tamin’ny fotoam-pahavaratra ny volana desambra 2020 no efa nitaraina sy nanaitra ny amin’io fahasimban’ny lalana io ny mponina teny amin’ny manodidina saingy hifarana ihany ity ny taona 2021 fa tsy mbola nisy na dia indray mandeha monja aza ny fanamboarana ny lalana.Ireo olona mitady vola no miezaka manototra ny lavaka amin’ny tany sy ny potika biriky, izay tsy mety ihany koa anefa fa resaka vahaolana vonjy tavanandro sy mba paikady fitadiavam-bola ihany.
RTT

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap