airtel

Fifamoivoizana

18-janv-2022

Fifamoivoizana

Andranonahoatra Naverina namboarina ilay arabe “bonbon voanjo”

Sample post image

Tsy azo handehanana indray ny lalana avy eo an-tampon’Itaosy midina eo Andranonahoatra efa ho andro maromaro izao.

18-janv-2022

 Nokaohina iray manontolo indray ilay lalana efa vita tara vao avy namboarina iray manontolo, ny volana novambra 2021 ary averina hamboarina. Raha araka ny fanadihadiana natao dia noho ny haratsian’ny kalitaon’ity lalana ity no antony namerenana azy hamboarina indray mba hahazaka rano tsara sy hahatanty ireo vesatr’ireo fiara vaventy izay maro mpivezivezy eny amin’iny faritra iny. Tsiahivina moa fa efa nanatsikafona ny haratsian’ny kalitaon’ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’Andranonahoatra sy Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara saingy tsy nisy nihaino. Ankehitriny anefa mipoitra ihany ny marina ary tsapan’ireo tompon’andraikitra ny fahamarinan’ny teniny. Ekena fa mahafinaritra ny manao zavatra, indrindra fa ny foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka tahaka ireny saingy tokony hatao manara-penitra kosa rehefa hatao. Malaza amin’ny fampanaraham-penitra rahateo ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ka tsy tokony hatao resabe fotsiny ihany izany. Nampitolagaga ny olona teny Andranonahoatra sy ny manodidina ny fahitana ireo fiara be sy fitaovana maro samihafa ny volana novambra sy desambra lasa teo fa diia tena hoe hanao zavatra ireto.Inona akory ny teo fa hay arabe bonbon voanjo araka ny fomba fiteny no vita ; tsy vita ny fisehosehoana sy ny werawera tokoa ny asa fampandrosoana fa mila fahamatorana.
Pati
Legende : Notrongisina tahaka izao ny lalana eny Andranonahoatra miazo ny tampon’Itaosy
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap