airtel

Fifamoivoizana

07-déc-2022

Fifamoivoizana

Ankatoky ny fety Feno fitohanana avokoa izay toerana aleha

Sample post image

Tsy misy toerana izay tsy ahitana fitohanana intsony amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

07-déc-2022

Anisan’ny tena mampitaraina ny maro ho an’ny eto afovoan-tanàna ny miditra etsy Analakely sy Anosibe. Mahalany ora iray eo ho eo raha kely ny taxibe iray vao tafiditra amin’ireo toerana ireo ankoatra ny fotoana lany miainga any am-potony. Ho an’ny taxibe avy any Itaosy manokana dia eo Andranonahoatra dia efa mikatso ny fifamoivoizana. Mitohy eny amin’ny dalle sy Ambonisoa izany ary tsy misavakely raha tsy efa tafavoakan’Ampasika. Mahalany ora roa ny mpandeha iray eny ambony taxibe hanalana ireo lalana ireo raha vantany vao taran’ny amin’ny 06 ora maraina mivoaka ny trano. Toraka izany koa ny avy any Fenoarivo. Mangidy ny rora vao tafavoaka etsy amin’ny tetezan’Anosizato raha mbola olanabe ihany koa ny fivoahan’Anosibe. Tsy vitsy ireo lasa misafidy ny handeha dia an-tongotra vokatr’izany. Ankoatra ny fivoahana ny tanana moa dia mbola fitohanana lavareny tahaka izany ihany koa ny miandry rehefa hiverina hody, indrindra raha vao taran’ny amin’ny 04 ora hariva.

Pati Legende : Lany eny ambony taxibe ny fotoana vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana etsy sy eroa
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap