hoy ny fampitam-baovao voaray. Nipitika teny am-pitan'ny arabe tokony hiampitany izy. Tena mafy ny dona matoa nahatapaka tongotra, hita ihany koa fa nisy fahasimbana hatramin’ilay moto. Nifanampy nibata nampiditra azy tao anaty fiarakaretsaka na “taxi” iray sendra nandalo ireo mpandalo sy ireo nanatri-maso nahatsapa tena. Indrisy anefa fa tsy nety velona ilay “taxi” ka raikitra indray ny fanakanana “taxi” hafa niaraka tamin'ireo polisy tonga teny an-toerana. Nanome tanana tamin'ny fibatana ilay niharam-boina koa ny mpanao gazety, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy amin’ireo namana nanatri-maso teny an-toerana. Efa tonga tany amin’ny hopitaly ary nahazo ireo fitsaboana maika tsy maintsy atao amin’ny olona tra-doza tahaka izao ilay ramatoa raha ny vaovao farany omaly hariva.
J. Mirija
Sary: Rivo Ramamonjisoa
Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.