airtel

Fifamoivoizana

13-oct-2021

Fifamoivoizana

Anosibe-Anosizato Sasatry ny mandona olona ny moto sy ny bisikileta

Sample post image

Efa ho 12 volana izao no tsy nirehitra intsony ny jiro amin’ny sisin-dalana eny amin’iny faritra Anosibe sy Anosizato iny raha araka ny fanadihadiana natao.

13-oct-2021

Eo an-danin’izay anefa dia tsy mitsaha-mitombo ireo moto sy bisikileta miasa mitatitra olona eny an-toerana. Manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva no hisian’izany hatramin’ny 09 ora alina any ho any, mitaona ireo olona tara fodiana tsy mahita taxibe. Raha araka ny fitarainan’ny mponina hatrany dia saika tsy misy jiro avokoa ireny bisikileta sy moto ireny ka sasatry ny mandona olona. Mitsaoka izy ireo aorian’izany. Ho an’ireo tratra moa raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana iray dia mbola manao vava indray toy ny hoe : ny olombelona no tokony hasiana jiro….Miantso ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny misahana ny fifamoivoizana araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ity tranga misy ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap