airtel

Fifamoivoizana

27-juin-2022

Fifamoivoizana

Anosizato 8 volana no hananganana ilay “Flyover”

Sample post image

Hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ilay tetikasa flyover na ilay tetezana mitsingevana etsy Anosizato hahafahana miady amin’ny fitohanana.

27-juin-2022

Efa eo am-pikarakarana ny kipitsony mifandraika amin’izany ny Ministeran’ny asa vaventy, raha araka ny fampanantenana nataon’ny Ministra. Mbola tsy voafaritra tsara kosa anefa ny fotoana hanombohana izany raha haharitra 8 volana ny asa. Raha araka ny fanazavan-dRatsivahiny Andry solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano dia hamaha amin’ny ampahany ny fitohanana eny Atsimondrano ny fahavitan’ity tetezana mitsingevana ity. Ilay vavahady miditra an’Atsimondrano mihitsy mantsy hoy hatrany izy no tokony halalahana ka anisan’izany ny etsy Anosizato. Nomarihiny manokana ihany fa ny tanana mihitsy no mihakely koa raha tiana ny hitady vahaolana maharitra dia tsy misy afa-tsy ny fanaovana tanana vaovao sy ny fananganana foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny toetr’andro tahaka itony. Marihina moa fa hivaha amin’ny ampahany hatrany Ampasika ny fitohanana raha vita tokoa ity flyover etsy Anosizato ity.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap