airtel

Fifamoivoizana

14-sept-2022

Fifamoivoizana

Antananarivo Fiara 57 nosavaina, 08 naiditra am-balam-pamonjana

Sample post image

Nanatanteraka hetsika fitsirihana tampoka an-dalambe ny Foibe fitsarana fiarakodia, izay notarihin’ny Tale

14-sept-2022

jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia sy Atoa Tale Jeneraly lefitra ary ireo ekipan’ny Sampan-draharaha misahana ny fitsirihana ara-teknika an-dalambe (SOCR). Teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina mihazo an’Ivato, Anjomakely,Ambohimarina,Ambatolampy Tsimahafotsy, Soavimasoandro, ary Ambodifasina no nanatontosana izany, nandritra ny roa ora tsy niato. Miisa 57 ireo fiara voasava ka ny 23 isa voatery nosintomina ny taratasiny, 08 noho ny tsy fisiana na fahalanian’ny paikandro fitsirihana ara-teknika ka naiditra am-balam-pamonjana. Ny 15 tamin’ireo no tsy maintsy natao “inaptes” noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Miisa 07 kosa ireo fiara ratsy endrika ivelany sy anatiny ka tsy maintsy hatsaraina ; 01 ny fiara nasaina nanala teo ho eo ny « Pellicule » matroka manarona ny fitaratra (vitres fumées) raha 01 ny fiara tratra nampiasa ireo “Attestation de déclaration de perte” .Nisy ny fanentanana ireo mpamily nandritry ny fisavana ny amin’ny tsy tokony ampiasana ireny jiro LED ireny sy ilay antsoina hoe « vitres fumées » izay hanaovana antso avo ho an’ny mpitandro filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nafana ny fisavana fiara teto
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap