Niroso tamin’ny vahaolana vonjimaika ny Fanjakana mba hamahana sy hampihenana ny olan’ny vahoaka manoloana ny grevin’ny taksibe omaly. Vao maraina mantsy, dia efa nisy olana satria ireo mba niasa tratry ny rotaka sy ramatahora, ka voatery niverin-dàlana sy nanatsahatra ny asa fitaterana. Voatery nandeha an-tongotra namonjy ny toeram-piasany ny ankamaroan’ny olona. Ny tapany hariva kosa, netsehina ireo fiarabe bus Foton tao Iavoloha mba hitaterana vahoaka, nitsinjara ho zotra 14 teo: Ampefiloha - Itaosy (03 bus) ; Anosy - Ampitatafika - Fenoarivo (3bus) ; 67Ha (Vatobe) - Ambohitrimanjaka - Andranotapahana (3bus) ; Andravoahangy - Ampasampito - Ambohimangakely - Ambohimalaza (3bus) ; CNAPS Ampefiloha – Anjomakely (03 BUS) ; Ambodivona - Analamahitsy - Sabotsy Namehana (03 bus) ; Anosy – Domaines-Alasora : AnalaKely - Tanjombato –Andoharanofotsy ; Ambodivona - Sabotsy Namehana ; AnalaKely 129 – Ambohipo; Radio anosy - ambohijatovo – Ankatso ; Ankatso - 67ha ; Antanimena – Ambohimanarina-Ivato ; Petite vitesse – Anosipatrana ; Fasika - ambodivoara- ambohimangakely ; Ivato – Ambohitrimanjaka. Nahatratra 39 ny bus lehibe niasa omaly raha ny loharanom-baovao teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Vahaolana vonjimaika nentina nitsinjovana ny vahoaka teo anatrehan’ny grevin’ny taksibe, izay heverina fa sarotra ny nametraka sy nandamina azy tao anatin’ny hamehana, saingy mba namaha kosa ny olan’ny vahoaka na mety tamin’ny ampahany ihany aza. Ny miaramila no nanamory ary nanome antoka ny lafiny filaminana. Maimaimpoana moa io asam-pitaterana vonjimaika omaly io, ary hitohy anio raha ny fampahafantarana omaly. Toa naneho ny sary omaly fa azo atao ny manatsara ny fitaterana eto Antananarivo amin’ny alalan’ny fampiasana karazana fiara mahazaka olona betsaka kokoa na amina ampahana ampahana ora mahabetsaka ny mpandeha ihany aza toy ny hoe : « bus » amin’ny atondro, « bus de nuit », fa ny lalana no mila hatsaraina. Betsaka no maneho fa tokony hotohizana ho vahaolana maharitra ny tahaka izao mba hampihenana ny fahasahiranam-bahoaka ka azo haverina ny fitaterana sahanin’ny Fanjakana toy ny FIBATA, FIMA,… fahiny amin’ny saran’ny zakan’ny rehetra.
Toky R