airtel

Fifamoivoizana

28-janv-2021

Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Taxi be 4000 tsy maintsy asiana “GPS”

Sample post image

Hatao zotra filamatra ny taxibe eto an-dRenivohitra. Malaza ratsy amin`ny fandikana ny lalàna velona izy ireo.

28-janv-2021

 

 

 

 

 Raha atao indray mijery, tsy mirahraha ny mpandeha ny mpamily sy ny mpamaly azy ireto. Eo koa ny fodiana aloha ka maro ireo mpiasa handeha hody no taraiky eo. Nandray andraikitra ny minisitera, ny mpitandro filaminana ary ny antokon-draharaha miadidy ny fitaterana an-tanety (ATT). Ny taona 2019 dia nanomboka ny tetikasa fametrahana GPS entina hanaraha-maso izay dia alehany. Manamafy ny ady amin` ny gaboraraka ihany koa ny eo anivon` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny TAG-IP ary ny CNaPS sy ny UCTU amin’ny fametahana ny GPS. Efa 600 mahery ny fiara taxi-be efa voapetaka GPS ary ho ezahana asiana daholo ny taxi-be rehetra. Marihana fa ny vondron-kaoperativa FMA dia efa manana ny GPS manokana fa ny UCTU no nanao fifanarahana ka fiara mpitatitra 4 000 misy eto an-dRenivohitra dia tsy mantsy asiana GPS avokoa ny taxi be. Ny tanjona dia ny hanaovana azy ho fiarovana ny fiara sy ny fanaraha-maso ireo taxi be, raha misy mangalatra ka avy hatrany dia mora hita ny fiara. Ho voarakitra eo anivon` ny “centre opérationnel” ao amin’ny CUA misy ny mombamomba ny fiara amin`izay. Eo koa ny fahitana ireo fiara tsy manara-dalàna tsy mijanona amin’ny arrêt sy ny mivily an-dalana. Mankahery ny tompon`andraikitra manoro ny lalana halehan`ny taxi-be satria efa zatra gaboraraka loatra ny fiara fitaterana eto amintsika.

 

 Marigny A.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap