airtel

Fifamoivoizana

25-janv-2021

Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Tsy mahazo miasa intsony ireo “taxi-moto”

Sample post image

Nilaza ny tsy hitsitsy an’ireo mpanao taxi-moto eto Antananarivo ny avy

25-janv-2021

 

 

 

 

amin’ny Fiadidian’ny Kaominina satria tsy manana fahazoan-dàlana hanao izany sa izay izy ireo, hoy ny Tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny CUA Ato Bemana Vigor tamin’ny fampahalalam-baovao ny faran’ny herinandro teo. Tsy ekena , tsy ara-dalàna, tsy nahazoana alalana,… Matoa misy ny taksibe dia nahazoa alalana matoa mitondra olona. Tsy nisy nanome fahazoan-dàlana ihany koa. Tsy misy antoka (assurance) ho an’ny mpandeha. Mazava ho azy fa raha sanatria voaendaka, tra-doza, tratry ny fitazonana an-keriny dia ianao ihany no tompon’andraikitra amin’izany, hoy izy. Ambara fa manakorontana ny fifamoivoizana izy ireo, ary mitera-doza. 67Ha, Ampefiloha, Ankadimbahoaka, Anosy, Ampasapito,… no isan’ny tena ahitana azy ireo. Ao anatin’ny in-droa isan-kerinandro ny fanenjehana. Tazonina 10 andro tsy latsaka amina valam-panagiazana ny moto tratra, raha ny fanazavana. Nandritra ny fotoanan’ny fihibohana no nanomboka nahazo vahana io seha-pitaterana iray io teto an-drenivohitra. Efa misy amin’ireo tanàn-dehibe eto amintsika no manaiky sy mampiditra ny moto ho isan’ny fitaterana ao aminy, toa an’Ambatondrazaka. Mbola hifanenjanana kosa izy io eto Antananarivo ka ny CUA maneho fa tsy mety, ireo mpanao azy mihevitra fa fanaovana kely tsy mba mamindro. Tsy azo eritreretina ve ny hampiditra azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna sa tena olana be ho an’Antananarivo tokoa ?

Toky R

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tena tsy maharaka ny filan’ny mponin’Itaosy intsony ny isan’ireo taxibe miasa eny an-toerana.

Card image cap
15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap