airtel

Fifamoivoizana

01-avril-2022

Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Tsy maintsy hiova lalana ny teleferika

Sample post image

Mitombo 3% isan-taona ny mponina eto Madagasikara. Raha araka ny vinavina dia hitombo hatrany amin’ny 4,5 tapitrisa izany hatramin’ny taona 2033 araka ny tatitry ny banky iraisam-pirenena, antony tsy maintsy hirosoana

01-avril-2022

 amin’ilay tetikasa tekeferika. Vokatr’izay fitomboan’ny mponina izay mantsy dia hanampy trotraka hatrany ny fitohanana ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana. Taorian’ny fitarainana nataon’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ireo sokajin’olona voakasik’ity tetikasa ity anefa dia mijoro manara-maso izany ny ONE na ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana no sady manao fanadihadiana ara-tontolo iainana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Raha tsiahivina mantsy dia manana andraikitra goavana amin’izany izy ireo toy ny fiarovana ny ain’ireo mpianatra kely , ny fahasahiranan’ny mponina amin’ireo toerana lalovan’ny tetikasa. Hotanterahina ihany araka izany ity tetikasa ity raha araka ny fanazavan-dRakotoson Rija, tale jeneralin’ny ONE saingy hiova lalana kosa. Ho an’ireo toerana nahazoana fitarainana toy ny Saint Michel Amparibe, ny katedraly eny Andohalo…. ohatra dia efa noraisina ny fitarainan’izy ireny ka tsy handalo ao aminy intsony ilay cable izay hilanja ilay fitaovana hitaterana olona. Mikasika ny fiadiana fototra hametrahana ireo vy be hitondra ny andry goavana indray dia mbola tsy maintsy hijery ireo tany ahiana hihotsaka ny ONE. Toraka izany ihany koa ny tany lalovan’ilay tetikasa ka tokony hanaovana fanonerana aorian’ny fitarainana hataon’ny tompon-tany. … Rehefa feno avokoa ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany vao afaka manome ny taratasy fahazoan-dalana ny ONE mba tsy hanelingelina ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny ilay tetikasa. Tsiahivina moa fa gara miisa 12 no hapetraka ao anatin’ny tetikasa. Olona miisa 33.000 ka hatramin’ny 40.000 isan’andro no ezahina hotanterahina ao anatin’izany, ao anatin’ny 12 ora isan’andro. Miisa 78 kosa ireo pilona hatsangana ka anisan’ny ahitana azy ny etsy Anosy miazo an’Ankatso mirefy 3km, ny eo Anosy miazo an’Ambatobe izay mirefy 9 km. Hatolotra ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao moa ny fanadihadiana ara-tontolo iainana hataon’ny ONE mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Hiova lalana ny tetikasa teleferika
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap