airtel

Fifamoivoizana

26-avril-2024

Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitry ny fihemorana

Sample post image

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

26-avril-2024

posy entin-tanana, andian'olona miloloha anana, kalesy mitondra akondro, taxi isan-karazany ( fiara,moto, bisikileta) dia efa fantatrao tsy misy ahiahy fa eto Antananarivo ianao izay. Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, ilay kaominina ambonivohitra manana sata manokana, natao dokam-badotra be tamin'ny 2019 fa nomena tohana ara-bola 10 miliara ariary. Dia efa lasa marina ny zavatra taloha fa mitoetra kosa ny fahasahiranana.Fotodrafitrasa natao hiainana mponina 500 000 ka hatramin'ny 1 tapitrisa no nisy teto Antananarivo, efa 3 tapitrisa ny olona mifamezivezy eto isan'andro ankehitriny.Sempotra ilay tanàna, sempotra ny olona, hita taratra fa tsy nisy mihitsy fiomanana na dia nipoapoaka aza ny fampanantenana tamin'izany fotoana. Fa fotoana oviana moa izany ? Tamin'ny 2007 naha ben'ny tanàna an'i Andry Rajoelina sy niomanany handrombaka ny fahefana.Tsy misy zava-miafina intsony ny amin'izany, tsy asiana adihevitra be fa ny zava-misy iainana 15 taona aty aoriana no porofo mivaingana fa tsy tolona fanavotam-pirenena-pirenena no natao teto fa hetsika fandrombahana fahefana ary vondron'olona voafetra ihany no nahazo tombotsoa tamin'io fa tsy ny vahoaka malagasy. Dia izao iaraha-mahita eto an-drenivohitra izao ny fahavoazana lehibe : jiro tsy misy, rano tsy mandeha, lalana potika, vidin'entana tsy zakan'ny vahoaka intsony, fandriampahalemana lasa zava-doza fa toa ifaninanana ny ombay mitady. Fihemorana no tsapa, fahasahiranana nitombo, velirano tsy tanteraka, Iles Eparses adino tanteraka.Antananarivo renivohitra..reraka.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap