airtel

Fifamoivoizana

08-mars-2021

Fifamoivoizana

Antananarivo sy Antsohihy Anirian’ny lomotra fotsiny ireo “Gare Routière” vaovao

Sample post image

Samy manana “Gare Routière” vaovao Antananarivo sy Antsohihy. Samy fotodrafitrasa naorin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izy ireo,

08-mars-2021

 

 

 ary efa vita aman-taonany ary efa samy vonona azo ampiasaina. Nampitondraina ny anarana “Gare Routière Fisandratana” ny etsy Amoron’Ankona ho an’Antananarivo. Tsy mbola nisy nampiasaina ireo “Gare Routière” ireo hatramin’izao. Hatramin’ny anarana “Gare Routière Fisandratana” etsy Amoron’Ankona aza efa nendahina. Ny toerana nanjary feno tranokala sy lomotra ampitoerana eo. Ny ao amin'ny parcage Antsohihy ampiasaina amin'izao fotoana anefa fotaka, torak’izany koa ny etsy amin’ny Fasankarana Ankadimbahoaka. Antony politika no voalaza fa sakana, tsy ampiasana azy ireo. Olom-boafidy no voalaza fa tsy manaiky ny hampiasana ny “Gare Routière” ao Antsohihy satria HVM nanao ilay asa. Mazoto anefa ireo kaoperativam-pitaterana raha afindra milamina. Tsy te higidragidra amin'ilay olomboafidy izy ireo te hiditra aza. Resaka fiantraika ara-tontolo iainana indray no voalaza fa tsy mbola ampiasana ny etsy Amoron’Ankona ho an’Antananarivo. Dia samy mametra-panontaniana ny mpanjifa hoe : fa aiza ny fitohizan-draharaham-panjakana ?

Jean D.

 

Dans la même rubrique