airtel

Fifamoivoizana

29-juil-2021

Fifamoivoizana

Antanimena – Soarano – Behoririka Mbola hitohy ny andrana teknika amin’ny fifamoivoizana

Sample post image

Raha ny hita sy re omaly tontolo andro aloha dia maro ireo nimenomenona sy sorena teto Antananarivo Renivohitra vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny Antanimena, Soarano,

29-juil-2021

 Behoririka ary Ankorondrano.Ilay fandaminana vaovao momba ny fifamoivoizana eo Antanimena sy Soarano no voalaza fa fototry ny olana.Tena nitohana tokoa ny fifamoivoizana nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina ary tany amin’ny 10 ora sy sasany maraina tany ho any vao mba azo niainana .Na ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina aza dia niaiky fa henjana iny ka mila miezaka, araka ny fanehoan-keviny tao amin’ny tambazotra sosialy twitter.Nanazava ny hariva avy eo ny avy ao amin’ny ppolisim-pirenena fa andrana teknika no natao izay mbola hitohy anio alakamisy sy rahampitso zoma.Maro ny zavatra hita sy tsapa ka mbola hivory indray avy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny polisim-pirenena sy ny kaominina ary izay rehetra voakasiky ny fitaterana dia ho hita eo hoe inona no mila amboarina sy ahitsy ; mety ve ilay fandaminana vaovao sa tsia.Mandra-piandry izany aloha dia ireo mpampiasa lalana izany no mila manaraka tsara ny lamina, eo ihany koa moa reo polisy mpandrindra ny fifamoivoizana.Nesorina vao maraina omaly ireo mpivarotra amoron-dalana ary tsy nahazo nifamoivoy tamin’ireo faritra nisian’ny fanovana ny posy sy sarety.
RTT
 

Dans la même rubrique