airtel

Fifamoivoizana

04-avril-2022

Fifamoivoizana

Antsohihy Nofaohan’ny kamio ireo mpivady nandeha moto

Sample post image

Vehivavy izay tra-doza tao Ambalabe Ouest ‚ any amin’ny distrikan’Antsohihy no namoy ny ainy tsy fidiny rehefa nivoaka harivariva niaraka tamin’ny vadiny nitaingina moto.

04-avril-2022

 Raha araka ny fantatra dia nofaohan’ny kamiao izy ireo rehefa nikasa ny mba hitsangatsangana. Voa teo amin’ny lohany ilay Ramatoa. Noho ny habetsahan’ny ra very anefa dia namoy ny ainy izy raha voa mafy teo amin’ny lohany ihany koa ilay Rangahy. Fiara kamiao mpitaona fasika ao Antsohihy ihany io nifaoka azy mivady io. Na izany aza tsy nijanona ilay kamiao fa nanohy ny diany ary tsy fantatra ilay mpamily hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. . Tompon'andraikitra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Antsohihy ilay rangahy namoy ny vady andefimandriny io raha araka ny fantatra hatrany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap