airtel

Fifamoivoizana

19-juil-2021

Fifamoivoizana

Antsongo Antsirabe I Nanitsaka ary nahafaty olona ilay fiara mpitatitra fasika

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny tananan’Antsongo, kaominina Antsirabe I Faritr’i Vakinankaratra ny Sabotsy lasa teo.

19-juil-2021

 Fiara mpitatitra fasika iray avy any Antanimenakely no tapaka tsindry hisatra ka nanitsaka mpitondra bisikileta iray nisasa tongotra tamin'ny lakan-drano.Olona telo no voadonan'ilay fiara vokatri’izany. Ny iray namoy ny ainy voatsindrin'ilay fiara. Tapaka kosa ny tongotr’ilay faharoa raha tsy nahitana ratra ny fahatelo saingy nentim-pahatairana mafy kosa. Ny zandary mpiandry vonjy taitra avy ao amin'ny Groupement ao Antanimenakely moa no tonga teny an-toerana namonjy ny loza raha vantany vao naheno izany. Niarahana tamin'ny fokonolona sy ny BMH kosa ny nisikotra ny razana. Marihina moa fa tsy tratra teo intsony ilay mpamily fa lasa nandositra noho ny tahotra mafy nahazo azy.Na izany aza fiara mahafeno fepetra amin'ny fahazoana mivezivezy tsara ity fiara nandona olona ity fa tsy sanatria akory tsy ara-dalana. Ny polisim-pirenena avy ao amin'ny sampana miadidy ny lozam-pifamoivoizana (BAC) kosa no mandray ny fanadihadiana.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap