airtel

Fifamoivoizana

31-mars-2023

Fifamoivoizana

Atsimombohitra Ampitatafika Nanampy tamin’ny fanamboaran-dalana ny Afd sy ny Gret

Sample post image

Vita « béton » ny lalankely ao amin'ny faritr'Ambohijafy, Fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano.

31-mars-2023

Famatsiambola avy any amin'ny Agence française de développement (Afd) sy ny ong Gret mitentina 40 tapitrisa vola tsy averina no nahafahana nanao izany araka ny fanazavany Ben'ny tanàna Rado Ramparaoelina. Raha tsiahivina dia anisan'ny nandray anjara tamin'ilay hetsika tanàna madio lavitry ny fako ny kaominina Ampitatafika. distrikan'Atsimondrano 4 no indray nifaninana tamin'izany ka anisan'ny nahazo loka izy ireo, Antony nahazoana Ity famatsiam-bola Ity. Naverin'ny kaominina ho tamberim- bidy ho an'ny vahoaka ao aminy avy hatrany izany ka ankoatra ny fanamboarana ity lalankely natao béton ity dia namboarina nasiana zaridaina nahafinaritra ihany koa ny sisin-dalana. Nanampy ny kaominina tamin'izany hatrany moa ny Ong Gret izay nanentana sy mampianatra ireo mponina tao Atsimombohitra ho tia fahadiovana omaly no sady nizara loka ihany koa ho an'ireo nahavaly ny fanontaniana napetraka taminy momba ny fahadiovana sy fidiovana. Ankoatra ny hafinaretan'ny maso sy ny fifalian'ny saina moa dia tsiahivina fa tombony lehibe ho an'ny fahasalamana ny fananana tanana madio ka tokony hataon'ny rehetra laharam-pahamehana.
Pâti
Légende : Nahafaly ny olona tahaka izao ilay lalankely notokanana omaly sy nasiana zaridaina
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,

Card image cap
28-sept-2023

Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny

Card image cap