airtel

Fifamoivoizana

12-oct-2026

Bajaj ao Ambositra

Handraisana fepetra

Sample post image

ireo tsy ara-dalàna

12-oct-2026

Handraisana fepetra ireo Bajaj tsy ara-dalàna ao amin'ny kaominina an-drenivohitr'Ambositra, hoy ny fampitàm-baovaon'ny fiadidiana ity kaominina ity ny faran'ny herinandro ity. Maro ny fitarainana voaray manoloana ny fitombon'ity karazam-pitaterana ity ao an-toerana amin'izao fotoana izao, hoy ny fanazavàna. Miisa 300 ireo Bajaj nahazo vahazoan-dalana ara-dalàna hatreto. Tombanana ho efa hatrany amin'ny 500 anefa ankehitriny ireo hita ho mifamezivezy. Hisy, noho izany, ny fitsirihana sy fisavàna ireo Bajaj tsy ara-dalàna izay iaraha-miasa amin'ny mpitandro filaminana ka andraisana fepetra ireo tsy manara-dalàna, hoy hatrany ny fanazavàna voaray.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique