airtel

Fifamoivoizana

03-mars-2026

BAJAJ NANDONA MOTO

TENY ITAOSY

Sample post image

Namoy ny ainy ilay mpamily kofiaran-droa, roa hafa naratra

03-mars-2026

Nitrangana lozam-pifampivoizana ny 01 Martsa lasa teo tamin'ny 04 ora folakandro teny amin'ny RIP 13 mampitohy an'Andranonahoatra sy Andohatanjona, Fokontany Tsarazaza, kaominîna Andranonahoatra. Kodiaran-telo antsoina hoe : Bajaj manao fitateram-bahoaka avy any Andrakaivo ho any Behenjy no nifandona tamina kodiaran-droa marika Milango 125 cc, manao taingin-droa izay nifanena taminy. Namoy ny ainy vokatr'izany ilay mpamily kodiaran-droa izay vao 30 taona monja. Nandritra ny fotoana nitondrana azy haingana hamonjy toeram-pitsaboana no nahafatesany. Naratra ihany koa ilay mpandeha faharoa, 50 taona, monina ao Andohatanjona Itaosy izay tsy hita izay nalehany nandritry ny famonjena ilay naratra mafy fa nanararaotra nitsoaka. Mpandeha iray hafa tao anaty Bajaj koa no naratra maivana. Mikasika ilay mpamily kodiaran-droa dia fantatra fa vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikola, niampy fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy voafehiny ny familiana ka nahazo ny havia tandrifin'ny zotra nifanenana taminy.Ny zandary ao amin'ny Tobim-paritry ny zandarimaria ao Itaosy no misahana ny famotorana.
Pati
Légende : Tahaka izao no.fisehon'ny loza !

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

Card image cap
05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap