RN4 » any amin’ny faritra Boeny ny solontena avy ao amin’ny Banky Iraisampirenena, niaraka tamin’ny delegasiona avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, notarihan’ny Tale Jeneraly, Atoa Razafindrianarivo Henri Jacob, araka ny serasera nataon’io Minisitera io omaly. Famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny tetikasa " Contingency Emergency Response Componant" andiany voalohany na CERC I moa ny fanamboarana. Fitsidihana naharitra 2 andro no natao, ka ny voalohany nijerena ireo asa fanamboaran-dalana natao tamin’ny RN4, nanomboka avy tany Mahajanga ka hatrany amin’ny Tetezana vaovao Ampasimbe, teboka halaviran-dalana PK 387. Nahafa-po ny Banky Iraisampirenena tamin’ny ankampobeny ny asa vita tamin'ny tetikasa CERC I, raha ny tatitra, ka nisy toromarika hanafainganana ny fanombohana ny asa amin'ny tetikasa CERC II. Ny andro faharoa kosa no nitsidihina ny seranantsambo ao Mahajanga, niarahana tamin’ireo delegasiona sy ny avy ao amin’ny « Agence Portuaire Maritime et Fluviale ». Nivoitra ny faharesen-dahatry ny rehetra fa mila fanarenana sy fanitarana ity seranantsambo ity, ary tokony hatomboka faran'izay haingana ny asa. Atao mifandraika amin'izany koa ny asa fanarenana ny RN4, raha ny fanamarihana.
Toky R
Efa vita 100% ny fotodrafitrasa etsy Ivandry, toerana fiantsonana lehibe indrindra,
Namono olona indray ny moto na kodiaran-droa omaly alakamisy 06 Febroary teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka.