airtel

Fifamoivoizana

17-avril-2025

BEHENJY

Fiara Sprinter vaky kodiarana dia nivadika

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito

17-avril-2025

omaly Alarobia 16 Aprily folakandro. Fiara Sprinter iray voalaza ho vaki kodiarana no nivadika avy hatrany ka lasa tany an-tanimbary. Tsy nisy ny aina nafoy raha araka ny vaovao voaray saingy nisy kosa ny naratra. Tsiahivina moa fa ankoatra ny olana ara-teknika mety hahazo ny fiara eny am-pandehanana tahaka izao dia anisan’ny miteraka ny lozam-pifamoivoizana ihany koa ny tsy fitandreman’ny mpamily toy ny fandehanana mafy, ny fandraisana toaka….20% any ho any ny tahan’ity farany raha mahatratra hatrany amin’ny 80% kosa ny olana ara-teknika mety hahazo ny fiara. Vokatry ny tsy fanaraha-maso sy ny fikarakarana ny fiara amin’ny ankapobeny no mahatonga izany. Tsy vitsy mantsy ireo tsy manao visite teknika fa mandoa volakely fotsiny dia afaka miodina sy mandeha hatrany ny fiara na dia efa simba sy misy olana tanteraka aza. Ain’olona anefa no lalaovina isan’andro indrindra fa ho an’ireo taxibe sy taxi-brousse. Mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara Sprinter vaky kodiarana teny an-dalana !

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap
20-mai-2025

An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE

Card image cap