ny tsy maintsy hidinan’ireo delegen'ny boriborintany rehetra ireo maharary ny vahoaka eny ifotony ho famaliana sy ho fijerena ny hetahetan'ny mponina eto Iarivo. Nanatanteraka izany avy hatrany ny delegen'ny boriborintany fahatelo Razafimandimby Rija Ethel sy ireo mpiasa aminy ka avy hatrany dia nirotsaka an-tsehatra tamin'ny fanamboarana ny tetezana teo amin'ny tsenan'Andravoahangy, omaly Alakamisy 21 Martsa. Mpivarotra, mpibata entana, mpiantsena, olona maro...no mifamezivezy sy mampiasa ity tetezana ity isan’andro. Miisa 300 isan’andro izy ireo raha kely. Efa tena sarotra sy nanahirana anefa ny fiampitana tamin’ity tetezana ity teo aloha vokatry ny fahaloavan’ny hazo ka izao nasiam-panamboarana izao. Vita omaly Alakamisy ihany koa ny fisokirana ireo karazana tata-drano ao Andravoahangy izay mbola niarahan’ity Boriborintany iray ity sy ny SMA.
Pati
Asa fivelomana iray tena mahazo vahana eto amintsika, indrindra taorian’ny nandalovan’ny
Alasora, Andoharanofotsy, Sabotsy Namehana sy kaominina maro hafa manodidina an’Antananarivo renivohitra!