airtel

Fifamoivoizana

05-août-2021

Fifamoivoizana

BUS CLASS Hevitra tsara saingy misy mbola tokony arenina

Sample post image

Miditra amin’ny andro fahatelo manomboka anio Alarobia ny niasan’ireo bus class eto an-drenivohitra sy ny manodidina, tetikasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra entina hanatsarana ny sehatry ny fifamoivoizana

05-août-2021

. Zotra maromaro no efa ahitana azy ireo ety am-piandohana toy ny zotra 015, izay miloko manga toa azy ihany koa ireo taxibe tsotra mitrandraka ity zotra ity. Ny zotra 192, 194.... Maro ireo hevitra navoakan’ny mpanjifa nandritra izay fotoana niasan’izy ireo tato anatin’ny 2 andro izay. Misy ny lafy tsarany raha misy ihany koa ireo lesoka mbola tokony harenina. Ho an’ireo olona maika hamonjy asa sy fianarana ohatra dia tena mety ho azy ireny ny bus class. Tsy tahaka ireo taxibe tsotra mantsy izy ireny fa mandalo tobim-piantsonana manala mpandeha fotsiny ary mandray izay hitany eo dia lasa. Tsy manao vodihazo handaniana hatramin’ny 15 minitra toy ny an’ny sasany. Rariny io tolotra io amin’ny ankapobeny. 1500 Ar be izao mantsy ny saran-dalana alain’ireo bus class izany hoe : in-telo avo heny raha oharina amin’ny mahazatra ka tsy tokony hampitarainabe ny mpanjifa intsony. Lafiny mila fanarenana kosa hoy hatrany ireo mpandeha ny tokony mba hivoahan’ireo bus class maraina be sy hiaretany kely rehefa hariva ny andro na dia mirongatra aza ny tsy fandriampahalemana. Sarotra mantsy raha araka ny tatitra azo ny mahita azy ireny rehefa hariva ny andro. Toraka izany koa ny fanatsarana ny tolotra wifi ao anatiny hamaliana ny hetahetan’ny mpanjifa. Farany izay tsy kely akory dia betsaka ihany koa ireo mitaraina fa lafo loatra ny saran-dalan’ny bus class izay tokony ho 1.000 Ar farafaharatsiny.Nisy ihany koa raha ny omaly ohatra ny Bus Class tratry ny olana teknika teny an-dalana ka voatery nijanona sy namboarina aloha; zavatra tsy tokony hitranga anefa izany satria tokony efa voamarina mialoha ny zava-drehetra vao niasa.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap