airtel

Fifamoivoizana

13-avril-2021

Fifamoivoizana

By Pass Ambohimangakely Olona 7 indray matin’ny lozam-pifamoivoizana

Sample post image

Nandriaka indray ny rà teny amin’ny amin’ny làlana By Pass alohan’ny hidirana ny Rond Point Ambohimangakely omaly takariva tokony

13-avril-2021

 

 

 ho tamin’ny ora mahery kely. Fiara marika sprinter nandeha mafy no nidona tamin’ny kamio lehibe. Mafy dia mafy ny fifandonana, hany ka potika tanteraka ilay fiara. Olona miisa 7 no indray namoy ny ainy teo noho eo, ka zazakely ny roa tamin’ireo, raha ny tatitra vonjimaika omaly takariva ihany. Ny tany amin’ny Hopitaly aza voalaza fa mbola nisy hafa namoy ny ainy. Fianakaviana vao avy nandevina ireto mbola nidonam-pahoriana noho ny loza mahatsiravina ireto. Voalaza moa fa mamo ny mpamilin’ity fiara sprinter ity, ka izay no heverina fa nahatonga azy handeha mafy sy tsy nahafehezany ny familiana. Tsy maty izy fa ny tanany no tapaka, raha toa ka nandositra kosa ny mpanampy ity mpamily ity. Tany amin’ny 9ora sy fahefany alina vao tafavoaka ireo olona tao anatin’ny fiara, izay nifampisokirana, raha ny tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao iray. Mila mitandrina hatrany satria ny loza tsy mampiomana. Mirary fiononana ho an’ny fianankaviana tra-pahoriana isika, ary mirary fahasalamana feno ho an’ireo maratra.

EFA NOTENENINA NY MPAMILY SAINGY …

 Tamin’ny 9 no niala taty, ary tamin’ny 2ora sy sasany no tonga tany Beravina Ambohitrandriamanitra. Somary mbola lavitra ny fasana, ka izahay nandevina ary ry zareo nisotro toaka gasy, hoy ireo mpandeha velon’aina. Teny an-dàlana izy ireo dia efa miady hitondra ny fiara. Efa niteny izahay sy ilay anadahinay izay isan’ny maty hoe: misy kamio io aloha io, fa mitandrema, saingy valin-teniny dia hoe hitanay io, fa tsy ianareo no hibaiko anay, kinanjo vao tapitra ny teninay, dia io nadofony tamin’ny kamio io, hoy ny vehivavy iray tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny fahitalavitra Real TV taorian’ny loza.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap