airtel

Fifamoivoizana

18-mars-2022

Fifamoivoizana

Carrozza Heliarisoa “Sokafy amin’ny rehetra ny habakabaka”

Sample post image

Mangataka ny famelarana ny sidina anabakabaka tahaka ny Ethiopian Airlines, Kenya Airways,… hisidina eto Madagasikara ny Fikambanana Zanak’i Gasikara na AZIG tarihin-dRtoa Carrozza Heliarisoa.

18-mars-2022

Ireny no handrasan'ny maro, ary tokony homena alalana hiditra ao Madagasikara, koa mangataka ny hanomezana ireo an’ireo kaompania roa hiverina hiasa ao Madagasikara izahay, mangataka ihany koa ny fampodiana tsisy ata-kandro ireo vehivavy voafonja ao Arabie Saoudite ihany koa izahay, hoy ny fanehoan-kevitra. Ampy kosa angamba izay sazy nomena azy ireo izay, fotoana tokony hiverenan'izy ireo eo anatrehan'ny fianakaviany any an-tanindrazana izao, hoy ny fanambarana. 4 ireo teratany Malagasy izay nody avy tany Koweït t raha 11 no isan'ireo tokony ho nody, 7 zany no tsy lasa noho ny tsy faneken'ny Kaompania Kuwait Airways hitondra ny olona tsy manana taratasy ara-dalàna. Malaza hoe misokatra ny sisin-tany, nefa toa mbola ireo kaompania teo aloha ihany izay lafo dia lafo ny vidin'ny tapakila ary maro ireo kaompania tsy te hitondra olona hanao « escale » any Paris, hoy ny fanamarihana. Mba hialana amin'ny fangataham-bonjy sy ny horonan-tsary fangatahana amin'ny fanjakana matetika ny amin'ny fampodiana ireo teratany malagasy izay voafonja Koweït dia, niezaka izahay ato amin'ny AZIG sy ny fanjakana Kuwaitianina ny hifanome tànana amin'ny fampodiana azy ireo isak'erinandro mnnomboka ny 13 martsa 2022 no nitodi-diha taty an-tanindrazana, efa mahatratra 40 eo izy ireo no ao am-ponja. Noho ny tsy faneken'ireo ''Compagnie aérienne'' ny fitondrana olona tsy manana taratasy ara-dalàna na ny olona mampiasa (laissez passer) hanao “escale” ao Paris dia voatery tsy maintsy halefa tsikelikely izy ireo, hoy ny fanamarihana. Ny 20 martsa indray moa ny andiany faharoa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap