indrindra raha mitondra mpandeha na amin’ny alina izany na amin’ny atoandro. Indraindray koa anefa dia nambarany fa mety ho tsy fidiny no hitrangan’izany. Noho ny hamaroan’ny mpifaninana mantsy hoy izy toy ny taxi-moto, ny bajaj….dia lasa sahirankirana ny mpamily taxi. Tsiahivina moa fa vaovao tsy marina ilay niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook nilaza fa nisy « taxi » potika tanteraka teny Ankadimbahoaka rehefa lany lasantsy ka nanorisory ireo mpandeha telolahy tao anatiny ny Alatsinainy 27 Janoary alina teo hoy ny polisim-pirenena avy ao amin'ny boriborintany fahadimy etsy Mahamasina. Taxi niharan’ny lozam-pifamoivoizana efa ela io nisy naka sary ary nanaparitaka tao anaty tambajotran-tserasera Facebook io, hoy ihany ny polisy.
Pati
Legende : Rtoa Raharinirina Clemence filohan’ny FTAR !