airtel

Fifamoivoizana

12-févr-2024

Distrikan’Ambohidratrimo

Simba tanteraka ny lalana mampitohy an’Ivato sy Ambato

Sample post image

Tsy maintsy novitaina ny zoma teo, hoy ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga

12-févr-2024

Sarobidy Rakotondravao, ny fihaonana tamin'ireo solontena avy amin’ny fokontany miisa 15 ato anaty kaominina Ambato, distrikan’Ambohidratrimo, na dia ratsy aza ny lalana. Efa tena simba ny lalana mampitohy an’Ivato sy ny kaominina Ambato ka mila jerena manokana sy atao laharam-pahamehana mihitsy satria hiankinan’ny fiainan'ireo tantsaha mba ahafahany mamoaka ny vokatra avy ao an-toerana, hoy izy. Nandeha nankany amin’ny kaominina Ambato ny tenako ny zoma teo ary tsy tonga ny fiara nandehanana noho ny lalana ratsy sy lavaka, indrindra fa amin'izao fahavaratra izao. Niezaka hatrany izahay. Natao izay nahatongava ka nifindra nandeha moto fa tsy maintsy tonga no tanjona. Miezaka hatrany manatona sy mifampiresaka amin'ireo vahoaka eny ifotony ny tenako sy ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ka mankasitraka ny mpikambana rehetra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap