airtel

Fifamoivoizana

30-août-2023

Elanelan’ny arabe sy tetezan’Anosibe

Lasa fandrian’ireo tsy manan-kialofana

Sample post image

Mitombo isa ireo Malagasy tsy manana fahafahana mandoa hofantrano intsony.

30-août-2023

Saika mamonjy ireo toerana natokana ho an’ny tsy manan-kialofana ny ankamaroan’izy ireny ka ankoatra ireo tonga manatevin-daharana etsy amin’ny La Reunion kely dia tsy vitsy ireo mamonjy ny toerana fiantsonan’ny taxibe. Toraka izany ny eny Anosibe eny anelanelan’ny arabe izay misy miara-mandry amin’ny biby fiompy toy ny omby mihitsy ny sasany. Raha araka ny fanadihadiana natao dia misy fianakaviana hatrany amin’ny 5 tonta izy ireo raha kely no miara-monina eny an-toerana. Gony sy sachet plastika no hatambatambany hanamboarany trano koa na amin’ny andro atoandro aza dia miaina toy ny olon-drehetra eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireny. Mivoaka ny trano dia mangataka na kely na lehibe ary mihinana izay ambin-tsakafo hariarian’ny olona eny rehetra eny… dia toy izany hatrany. Raha araka ny fantatra dia misy hatreny ambonin’ilay tetezana mavo eo Anosibe ireo tsy manan-kialofana no matory amin’ny alina saingy miaro tena fotsiny mba tsy ho latsaka ety ambany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Ministeran’ny mponina mba hijery akaiky azy ireo. Olona very mantsy ny ankamaroan’izy ireny ka tsy manana fahafahana ny hanofa trano intsony.
Pati
Legende : Efa misy tsy manan-kialofana matory koa ety ambonin’ity tetezana miloko mavo ity !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap