airtel

Fifamoivoizana

24-mai-2024

Fahapotehan’ny RN2

Manamafy ny fahasosorany ny « camionneurs »…

Sample post image

Maneho hatrany ny fahasosorany eo anatrehan’ny olana mianjady azy ireo

24-mai-2024

ny mpitatitra amin’ny fiara vaventy na ny camionneurs any amin’iny làlam-pirenena faharoa na ny RN2 iny. Efa betsaka ireo fampanenoana lakolosy nataon’izy ireo na ireo mpitatitra entana na ny mpitatitra solika. Miteraka fantiantoka goavana ho azy ireo ny faharatsian-dàlana, mitombo ny fandaniana ara-tsolika, ny fandaniana eo amin’ny piesy. Tsy izy ireo irery fa na ny fitateran’olona na ny fiara tsotra tsy misy tsy mikolay. Làlana natao adin’ny ora 7 na ora 8 tany aloha lasa atao ora 13 na 14, izay miteraka fatiantoka goavana ara-toekarena, ary antony iray mampiakatra ny vidim-piainana ihany koa. « Izahay « Camionneurs » tompoko tsy mila vanony fa mangataka olona iray ao amin’ny Fanjakana ao iaraka aminay hanao ny «analyse » fandanina solika. Andao refesitsika fatra vao miditra manao «chargement » ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina sy gasoala lany eo amin’ny filaharana eo amin’ny « Station de pesage » Tsarakofafa miaraka mijery isika ny ora lany amin’ny fandehana amin’ny lalan-dratsy miainga eo Antananambo Ahatrany Ranomafana Est. Tonga any Antananarivo isika manao kajin’ny solika lany. Izahay no miantoka ny sakafonareo, andao miaraka mijery ny fijalin’ny mpamily kamio, fa ny mpamily foana no lasibatra. Olona iray ao amin’ny Fanjakana sy mpanao gazety iray no ilaina dia mandeha « sur route » isika », hoy hatrany hatrany ny fanehoan-kevitry ny mpamily. Vao ny volana aprily teo ny Filoham-pirenena no tany Toamasina nandritra ilay filankevitry ny Minisitra mitety faritra, izay karazan’ny niala bala ihany ka nanome tsiny ny mpitatitra, indrindra fa ny kamio ho tompon’antoka amin’ny fahapotehan’ny làlana. Fa iza tokoa moa manao tsirambina tsy manara-maso raha izany tokoa ? Fa iza no nanao ratsy tantana ny volan’ny Fonds Routier ka tsy voakojakoja ny làlana. Nandeha ny fampanantenana handeha ny fanamboarana saingy tsy vao izao no nisiana fampanantenana mikasika làlana etsy sy eroa lazaina fa hatao, saingy tsy hita izay eo.
Toky R
Sary indrana

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap