airtel

Fifamoivoizana

18-juil-2022

Fifamoivoizana

Faharatsian-dàlana manerana ny Nosy Efa tena mampiteny ny moana ny zavamisy

Sample post image

Potika ny ankamaroan’ny làlana eto amin’ny firenena noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana sy fanamboarana. Ny làlam-pirenena mihasimba,

18-juil-2022

ary betsaka no efa potika tanteraka. Ireo làlantany mihazo ny faritra na distrika sy ny kaominina samihafa efa tsy voajery hatrizay, mampiteny ny moana avokoa. Eto Madagasikara no misy an’izany hoe: làlana 35 km toy ny any Mananara-Sandrakatsy, izay ao anatin’ny roa andro no hanaovana azy. 2 000 000Ar ny hofan’ny fiara tsy mataho-dàlana iray mandroso sy miverina. Làlana efa vita tara tamin’ny Repoblika voalohany, saingy potika noho ny tsy fikojakojana.

Ny làlana Ifanadiana-Ikongo 92 km dia io mampimenomenona lava ny Depiote IRD Brunelle Razafitsiandraofa, ary nanakianany ny Fanjakana fa tsy teleferika no maika fa ny fampifandraisana ireo distrika manerana ny Nosy. 100 000 Ar ny saran’ny taxi-moto, ary 60 000Ar ny mandeha fiara “4x4”. Ohatra iray hafa ny mihazo ny Kaominina Didy any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, izay 50km monja, traktera no hitaterana ny entana, mandany 3 hatramin’ny herinandro rehefa ririnina sy fahavaratra. 35000 hatrany amin’ny 60 000Ar ny saran’ny taxi-moto, ny taona 2004 no nisy fanamboarana farany. Izany Moramanga-Anosibe An’ala izany moa dia 70 km eo andaniana andro maromaro, efa nanaovana kabary politika sy nanaovana hetsika goavana fa hatomboka, saingy tsy hita ihany izay tena natao. Ny làlana no lalan-dran’ny firenena, saingy nolazaina tany aloha, fa ny làlana angaha azo ohanina? Tara 13 taona taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 isika, satria potika sy simba vokatry ny tsy fisian’ny fikojakojana ny ankamaroan’ny làlam-pirenena. Aty aoriana vao hoe: laharam-pahamehana indray ny làlana, asaina manao làlana ny governora,… Tena potika ny ankamaroan’ny làlana na ekena fa misy ny tetikasa mandeha tahaka ny fanamboarana ny RN44 makany Ambatondrazaka izay iriana ny hahavitany soa aman-tsara, tahaka izany ihany koa ny RN13 izay irariana ny hahavitany satria mampikolay, efa nanaovana sehoseho ivelany nandanianam-bola be tamin’ny alalan’ny kifetifety ny ambara fa fanombohan’ny asa iray volana lasa izay, saingy tsy tena mbola misy zavatra mandeha.
 

NANKAIZA MARINA NY VOLA HIJOKAKOJANA NY LALANA ?
Ny làlam-pirenena maro miha potika, ary efa tena antsoantso sy fanairana manaka-danitra vao kitihina sy amboarina, kanefa zavatra tokony handeha ho azy. Nankaiza ny vola ho an’ny fikojakojana ny làlana avy amin’ny solika na ny FER (Fonds d’Entretien Routier) novaina ho FR (Fonds Routier) ? Maro ny fampahalalam-baovao nilaza fa voahodinkodina ny vola manodidina ny 400 miliara Ar izay heverina fa antony tsy handoavana ny volan’ireo orinasa nikojakoja ny làlana. Malaina sy mifezaka ny orinasa noho ny tsy fandoavam-bolan’ny Fanjakana. Mihisatra na tsy misy fikojakojana, ny lalàm-pirenena faharoa (RN2), ohatra, efa tamin’ny aogosira 2021 ny Filoha no nanao seheseho niaraka tamin’ny fitaovana goavana, saingy ampahany kely no vao natomboka ny fikojakojana.

Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap