airtel

Fifamoivoizana

25-mars-2022

Fifamoivoizana

Fahasimban’ny tetezan’Antanambao Tsy hay hoe rahoviana ny fanamboarana

Sample post image

Namoaka filazana omaly ny minisiteran'ny asa vaventy fa mampahafantatra ny besinimaro hoe voafetra ho "25 taonina" ny lanjan'ny fiara mandalo eo amin’ny PK 501+706, tetezan'Antanambao,

25-mars-2022

 kaominin'Andranolava, disitrikan'i Marovoay, eo anelanelan'Ambondromamy sy Mahajanga. Ny minisitera dia maneho ny fialan-tsiny amin'izay mety ho fanelingelenana haterak'izany, hoy ny filazana. Fantatra fa nahitana fahasimbana vokatry ny fihoaran’izany fetra izany ity tetezana ity, raha ny fampitan-tsary nomen’ny minisitera omaly. Etsy ankilan’izany rehetra izany anefa dia manjavozavo ihany ity fampitam-baovao ity satria dia mampametra-panontaniana hoe mandra-pahoviana izay fanelingelenana izay satria toa tsy nisy fampahafantarana fa hisy ny fanamboarana na fanarenana atao amin’ity tetezana simba ity? Tsy hay hatreto hoe rahoviana izay fanamboarana izay no hisy na hanomboka. Efa manomboka ve sa tsia ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap