airtel

Fifamoivoizana

27-janv-2021

Fifamoivoizana

Famendrahana ranom-panafody ny Taxibe Miara-miasa amin’ny orinasa tsy miankina ny koperativa sasany

Sample post image

Hampidirina foriera avy hatrany ireo taxibe tratra tsy manara-dalàna manoloana

27-janv-2021

 

 

ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 eto amintsika. Ankoatra ireo manao seza 5 izany hoe : mametraka olona afovoany amin’ny strapontin dia arahi-maso akaiky ihany koa ireo tsy mamendraka ranom-panafody ny fiara ho fiarovana ny mpandeha . Ho an’ireo taxibe sasany eto amintsika dia miara-miasa amina orinasa tsy miankina mihitsy ny koperativa misy azy ireo amin’ny fanatanterahana izany. 1.000 Ar isaky ny fiara isan’andro ny mamendraka ranom-panafody ka ankoatra ilay fiakaran’ny tongotra ao anaty fiara ao aloha sy any aoriana iny dia rarahana fanafody ihany koa ny vy mety holalovan’ny tanana rehetra, ny seza….. hisorohana ny mety ho fifindran’ny aretina. Raha tsiahivina moa dia andro maromaro mihitsy no fotoana hitazonana ireny fiara tsy manara-dalana ireny any ambalam-pamonjana rehefa tratra no sady mbola handoavam-bola ihany koa. Ny Ministeran’ny fitaterana miaraka amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety no manatanteraka izany ka efa mahatratra 10 mahery ireo efa tazonina etsy Anosy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana ankehitriny.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap