raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Fiara 504 bâché iray nitondra tafo fanitso no nanao izany ka notazonin'ny polisy avy hatrany ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nanokafana fanadihadiana noho ny fanimbana fananana iombonana. Ampahafantarina antsika fa misy ny lalàna manenjika ireo minia manimba ireny fananana iombonana ireny, hoy ny avy eo anivon’ny mpitandro filaminana. Hentitra ny Mpitandro ny filaminana amin'ny fanantanerahana izany . Entanina isika rehetra mba hahay hikajy sy hikojakoja ireo fotodrafitr'asa vaovao izay napetraka ho tombotsoan'ny be sy ny maro satria izay mahakolokolo ihany no hanana ny soa sy hisitraka izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Fiara tsy mataho-dalana miloko fotsiny no nifatratra teny an-tanimbary omaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora