airtel

Fifamoivoizana

17-mars-2022

Fifamoivoizana

Fampanarahan-dalàna ny “taxi-moto” Nitsangana ny “Association Kodiaran-droa”

Sample post image

Nampahafantarina omaly ny fitsanganan’ny fikambanana antsoina hoe “Kodiaran-droa”. Manana ny “recépicé” ara-dalana sy sata mifehy azy izy izao, hoy ny filohany, Fulgence Ramamonjisoa.

17-mars-2022

Neken’ny prefektiora nanomboka ny 14 febroary 2022 teo fa ity no rafitra ara-dalana mifehy azy, hoy izy. Ity no irosoana amin’ny sehatry ny ara-dalana ho an’ireo fihariana amin’ny alalan’ny kodiaran-droa. Sarotra tsinona ny miteny hoe “taxi-moto”. Mivelatra be izany. Ny kodiaran-droa dia natao hitaterana olona miisa 2. Maro ny tanora tsy an’asa ary isika tao anatin’ny valanaretina. Betsaka ny orinasa nikatona. Maro ny very asa dia io no hita fa ahafahana manampy ireo tanora tratran’izany rehetra izany. Ho atolotray eo anivon’ny lalana ary enjehinay amin’ny lalana ihany koa ireo izay mitonona ho ara-dalana nefa tsy anatin’izao rafitra izao. Hiara-kiasa amin’ny mpitandro filaminana koa izahay mikasika ny fiantohana ny fandriampahalemana ho an’ireo mpanjifa satria iaraha-mahalala ny lazan’izany eo amin’ity tontolo ity saingy tsy tomponandraikitra momba ireo tsy anaty rafitra kosa anefa izahay satria misy “code barre” ny karatr’ireo mpikambana ato aminay, hoy hatrany ny fanazavana mikasika izay tontolon’ny “Taxi-moto” sy kodiaran-droa izay. Etsy 67ha moa no misy ny biraon’ny kodiaran-droa, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap