airtel

Fifamoivoizana

24-nov-2021

Fifamoivoizana

Fampiakarana saran-dalana Tsy mitovy hevitra ny koperativa sy ny ministera

Sample post image

Tsy mitovy hevitra ny Koperativa sy ny Ministeran’ny Fitaterana mikasika ilay fampiakarana saran-dalana izay efa nokasain’iretsy voalohany notanterahina nanomboka ny alatsinainy teo.

24-nov-2021

Taorian’ny fivoriana niarahan’ny ministera tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny kaomisiona natsangana mba handinika izany mantsy dia nisy indray omaly ny fihaonan’ireo tompon’andraikitry ny fitaterana tamin’ny Ministera. Toa fotoana very fotsiny anefa izany fihaonana izany. Tsy nisy mihitsy mantsy ny fanapahan-kevitra tapaka. Raha araka ny lalana anefa hoy ireo solontenan’ny mpitatitra dia manan-jo feno hampiakatra na hampidina saran-dalana ireo mpitatitra. Mbola nodradradrain’izy ireo ihany koa fa tamin’ny volana jolay izy ireo no efa nieritreritra ny hampiakatra saran-dalana raha tamin’ny taona 2013 no nisy farany izany. Tao anatin’izay fotoana lavabe izay anefa hoy izy dia efa nahatratra hatrany amin’ny 26% ny fiakaran’ny vidin-tsolika ankoatra ny fiakaran’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara. Tsiahivina moa fa mahatratra 7000 hatreto ny isan’ireo fiara taxi brousse mivondrona ao amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly. Ho an’ny tobim-piantsonana iray monja dia miisa 100 ireo olona hampiasainy raha kely.
Pati
Legende : Tsy nahomby ny dinika natao teto
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap