airtel

Fifamoivoizana

28-mai-2026

Fampiharana ny lalàna

mifehy

Sample post image

Takiana ny fiaraha-mientan’ny rehetra»

28-mai-2026

Nandray famatsiana ara-pitaovana hiasàna ho fanenana ny lozam-pifamoivoizana mirongatra tato ho ato ny talata teo ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Tetsy amin’ny minisiteran’ny fitaterana sy famantarana ny toetry ny andro etsy Anosy no nanatontosana izany fandraisana fitaovana izany ka fizahàna fatran’alikaola na «éthylotests» miisa 300, izany hoe, 150 ho an’ny polisy ary 150 ho an’ny zandary, no noraisina nandritr’izany fotoana izany ary niampy fandanjàna fatrana entana azo entina mandehandeha na «pèse essieux mobile» miisa 10, izay milanja 10kg avy, ihany koa izany, izay mbola hifampizaràn’ny avy eo anivon’ny polisy sy ny zandary ihany. Iaraha-mahalala, hoy ny minisitry ny fitaterana sy famantarana ny toetry ny andro, Herizo Andrianavalona, fa ireo kamiao mpitondra entana eto amintsika dia matetika mitondra izay entana mihoatran’ny tokony ho izy izay ary miteraka fahasimbàn’ireo lalana, indrindra, lalam-pirenena. Rehefa samy mandray ny andraikitsika isika mpampiasa lalana, indrindra, tompona fiara, hoy izy, dia tsy lany volabe amin’ny fanamboarana lalam-pirenena no sady miaro ny ain’ny mpandeha. Didim-panjakàna miisa 4 sisa andrasana, izay mbola alefa anivon’ny filànkevitry ny minisitra hanamafisana ilay didim-panjakàna fampiharana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana teo dia heverina fa hampirindra ny fifamoivoizana izany ialàna amin’ny gaboraraka eny amin’ny lalana, hoy hatrany ny minisitra. Tapitra omaly alarobia 27 may kosa, hoy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena ny 26 andro nampianarana sy nifananarana ka hiditra amin’ny fanasaziana izay mbola mihoa-pefy amin’izay ny mpitandro filaminana manomboka amin’ity anio alakamisy ity na dia mbola sady hampianatra ihany aza. Takiana ny fiaraha-mientan’ny rehetra raha te hampihatra lalana isika, hoy ihany ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsy tokony hisy fivarotana zava-pisotro maha mamo eny amin’ny toeram-piantsonana na «stationnement», hoy kosa ny fampahatsiahivan’ny zandarimarian’ny voala-zan’ny lalàna. Toy izany koa amin’ireny sekoly ireny. Fampiharana ny lalàna ilay ho atao, hoy ny fanamafisana, satria zava-doza loatra no ateraky ny zava-pisotro misy alikaola eny amin’ny fifamoivoizana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2026

‎Taorian'ny fanentanana sy fampahafantarana

Card image cap
28-mai-2026

toerana nampitaraina ny mpampiasa lalana

Card image cap
28-mai-2026

Mangataka ny hanamboarana azy ny depiote Mariette

Card image cap
26-mai-2026

Tonga nitsidika tany Fandriana ny

Card image cap
26-mai-2026

Nanamafy tamin’ny alalan’ny fandaharana

Card image cap