airtel

Fifamoivoizana

28-nov-2022

Fifamoivoizana

Fanamboarana fotodrafitrasa Efa tsy hita tabilao intsony indray ilay «autoroute»

Sample post image

Ny 03 novambra 2022 lasa teo no nosoniavina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanatanterahana ny tetikasa “Autoroute” na lalàmbe migodana mirefy 265km mampitohy an’Antananarivo-Ambatondrazaka-Toamasina,

28-nov-2022

ka nilazana tamin’izany fa 950 tapitrisa dolara eo ny teti-bidiny voalaza fa hanaovan’ny orinasa Ejiptianina Samcrete azy, izay ampahatelon’ny nolazain’ny Tale Kabinetran’ny fiadidian’ny Repoblika teo aloha Lova Ranoromaro ny 15 janoary 2021 fa 3 miliara dolara. Nambara tamin’io 03 novambra 2022 io, fa afaka roa herinandro ny fametrahana vato fototra, ary 80 km no ho vita hatramin’ny faran’ny taona 2023. Ny 18 novambra no tokony ho nametrahana izany, raha kajiana amin’ilay roa herinandro, saingy efa 28 novambra isika izao. Mbola baraingo hatreto ny hoe : iza no hamatsy vola io tetikaa io ? Raha vao resaka famatsiam-bola tetikasa goavana, dia ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola no tokony hanao izany, saingy tsy izay no niseho teny Iavoloha fa ny Minisitry ny asa vaventy no nanao izany, izay tsy dia fahita firy, ary toa endrika naneho fa tsisy resa-bola izany? Raha ny lalàna fehizoro mikasika ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LOLF (Loi Organique sur les lois de finances) N°2004-007 tamin’ny 27 jolay 2004, ao amin’ny tapany fahadimy na “Section V” miresaka trosam-panjakana, andininy faha-39 dia milaza fa ny fa ny findramam-bola amin’ny anaran’ny Fanjakana dia ataon’ny Minisitry ny fitantanam-bola. Ilay 950 tapitrisa dolara anaovana « autoroute » ve vola nindramina sa vola ahoana? Maro ireo tetikasa lehibe nampanantenaina, nolazaina fa hanomboka indray amin’izao faran’ny taona izao na amin’ny taona ho avy, saingy toa mbola poakaty ny ankamaroany. Mby aiza ilay Flyover na tetezana mitsingevana eny Anosizato sy Ampasika izay efa tany amin’ny aogositra 2019 no nisy tolo-bidy ? Ny « voie rapide » 10km mampitohy ny seranantsambon’i Toamasina sy Antsarakofafa izay efa ny 07 aprily 2019 no nametrahana vatofototra ? Kely ireny mitaha amin’ny « autoroute » tsy vita ka azo inoana ve ny Fanjakana Rajoelina amin’ny fampanantenana ataony ? Sa kosa mety hatao tahaka ny delestazy indray hoe : amin’ny 2027-2028 ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap