Mandroso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenana 1Bis mampitohy an'i Tsiroanomandidy renivohitry ny Faritra Bongolava amin'i Maintirano renivohitry ny Faritra Melaky. 100km mahery no fantatra fa efa vita fanarenana ankehitriny raha miala avy ao Tsiroanomandidy. Misy koa asa miainga avy any Maintirano mihazo an'i Tsiroanomandidy amin'izao fotoana izao. Nanamora ny fitohizan'ny asa rahateo ny fisian'ny rotsak'orana malefaka tany an-toerana tato ho ato. Efa misy ny fitaovana miaramila nalefa any an-toerana hanampy tosika ny fitaovan'ny Faritry Melaky izay niantohan'ny Fiadidian' ny Fanavaozana ny Repoblika ny fanamboarana azy. Ny Jenia Miaramila no nanankinan'ny fitondrana Fanavaozana ny fanarenana iny RN10 Bis iny, izay mirefy 400 km eo, hanalana ny fitokana-monin'ny Faritra Melaky. Tamin'ny volana jolay 2026 no nanombohan'ny asa.
Jean D.