tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN2 Mitohy ny asa hoy ny Minisitera, tsy afa-po ny kamiao

Namoaka serasera ny Minisiteran’ny asa vaventy omaly 13 febroary 2023, fa mitohy hatrany ny fanamboarana sy fanatsarana ny lalam-pirenena faha-2 (RN 2) mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.

14-févr-2023

Sample post image

Nambara fa asa izay tafiditra ao anatin’ireo "Travaux d'urgence" ny Minisiteran'ny Asa Vaventy izay vatsian'ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan'ny "Ressources Propres Internes (RPI)". Ny PK 78 Anjiro no asiam-panamboarana, ary ny asa tanterahin'ny orinasa ankehitriny dia ny fanaovana ireo "reprofilage" sy fanotofana ireo lavaka amin'ny alalan'ireo "matériaux sélectionnés " ary ny fanokafana ireo "canal d'irrigation" hiarovana ny arabe tsy ho simba, hoy ny fanamarihana. Aorian'izay dia hanatanteraka ny asa famendrahana ireo tara ny orinasa. Tsara ny mampahatsiahy, fa nankatoavina tao anatin’ny Filankevitry tamin’ny 19 janoary 2023, ny fanomezana alalana mialoha na “autorisation d’engagement préalable” amin’ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena rehetra noho ny hamehana sy fahasimbana. Tsy manaraka ny pitsopitsony mahazatra takiana amin’ny maha tsenan’asam-panjakananoho ny hamehana. Notanisaina ny RNS 1, RNS 1Bis, RNP 2, RNS 5a, RNP 7, RNT 8B, RNT 33B, ary ampahany amin’ny sasany amin’ny làlana eto Antananarivo Renivohitra. Nambara fa nanomboka 2020 dia nihazakazaka be ny fahasimban’ny làlam-pirenena, izay nambara fa nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy. Notsiahivina ihany koa ny maha tompon’ny asa na “maître d’œuvre” ny minisiteran’ny asa vaventy ka tsy maintsy ahazoana ny fankatoavany ny tetikasa rehetra mety mahakasika ny làlam-pirenena. Nambaran’ny fikambanan’ireo kamiao mpitatitra kosa omaly tamin’ny fampahalalam-baovao iray, fa raha 100% no noeritreretina amin’ny « Point noire » amin’ny làlam-pirenena dia mbola 5% hatreto, hoy izy ireo. Manahy ireo mpitatitra fa raha sanatria mbola misy rivodoza dia ho tapaka ny ankamaroan’ireo làlana. Misy ny tenin’ny Filoha hoe: ny kamio no mitondra enta-mavesatra kanefa isika tany tan-dalàna ka tsy afaka mitondra entana mihoatra, efa misy tompon’andraikitra misahana izany, hoy hatrany ny valin-kafatra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin
02-juin-2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Card image cap
Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto
01-juin-2023

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

Voir plus