airtel

Fifamoivoizana

29-avril-2022

Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN41 Efa mizotra ny ara-taratasy

Sample post image

Efa madiva ho vita ny lalana "Entrée Fandriana" ao amin’ny faritra Amoron'i Mania, hoy ny fampitam-baovaon’ny governora ao an-toerana, Mamiarisoa Radaloson.

29-avril-2022

Mandeha tsara ny asa fanamboaran-dalana izay miditra eto amin'ny kaominina ambonivohitra Fandriana, distrika Fandriana, faritra Amoron'i Mania, hoy izy. Andro sisa isaina dia ho vita tanteraka izy ity. Mirefy 2 kilaometatra eo ho eo. Marihina fa ity "Entrée Fandriana" ity dia tena efa lavadavaka be sy potika tanteraka ary indrindra efa nampikaikaika ny vahoaka talohan'izao fanamboarana azy izao ka dia izao izy vitain'ny eto amin'ny faritra izao satria izao no antom-pisiana. Ny zava-dehibe ihany koa dia efa mizotra tsara ny ara-taratasy mba ahafahana manomboka ny lalam-pirenena faha 41 (RN 41) mampitohy an'i Kelikapona Ambositra amin'ny Fandriana izay ataon'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny asa vaventy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.

J. Mirija

Legende: Ny lalana "Entrée Fandriana"

 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap