Ho tapaka manomboka anio Talata 01 Septambra ny lalam-pirenena eo amin'ny PK 520 eo Berivotra, lalam-pirenena fahaefatra noho ny asa fanamboarana ilay tetezamby. Efa misokatra nanomboka omaly, Alatsinainy 31 Aogositra noho izany ny “déviation” natao handaminana ny fivezivezen’ireo fiara madinika mandritra ny fanamboarana ny tetezana. Nanomboka ny Sabotsy 29 Aogositra teo ny fanamboarana ity lalana fiviliana ity, ka afaka mampiasa izany ireo fiara voakasika mandritra ny faharetan’ny asa. Haharitra roa andro kosa ny fanamboarana ny tetezana dia anio Talata 01 sy rahampitso Alarobia 02 Septambra izany. Tsiahivina moa fa fiara am-polony isan'andro no mampiasa ny lalam-pirenena fahaefatra. Ankoatra ny kamiao dia ireo fiara fitateram-bahoaka no tena maro an'isa amin'izany. Etsy ankilan'izay dia fantatra fa vita ihany koa ny asa fanamboarana ny tetezana ao Mangapaika, ka nampiakarina ny “appui gauche” eo amin’ny ilan'i Mahajanga. Tanjon'ny Ministeran'ny asa vaventy ny hisian'ny lalana voakojakoja sy mirindra, ny fivezivezena milamina mba ho antoka sy fiarovana ny ain'ny rehetra.
Nangonin'i Pati
Légende : Ho tapaka manomboka anio ity tetezamby eo Berivotra ity !