airtel

Fifamoivoizana

17-mars-2026

FANAPOAHANA VATO

Ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa manomboka anio

Sample post image

Noho ny fanapoahana vato

17-mars-2026

izay ilaina amin'ny fanamboaran-dalana ary tafiditra ao anatin'ny tetik'asa fikojakojana ny lalam-pirenena faha-2, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina dia ho tapaka io lalam-pirenena iray io manomboka anio Talata 17 Martsa. Mampandre ny mpampiasa rehetra araka izany ny Ministera tompon'andraikitra fa ny fifamoivoizana eo anelanelan'ny PK 61+400 hatreo amin'ny PK 63+500 dia ho tapaka, manomboka anio ka hatramin'ny Zoma 20 Martsa manomboka amin'ny 12 ora atoandro ka hatramin'ny 01 ora folakandro. Tsy misy lalam-piviliana azo hifamoivoizana mandritra ny fotoam-panapoahana ny vato hoy hatrany ny vaovao azo. Ingaviana araka izany ireo mpampiasa ny lalana hanaraka ireo toromarika izay omen'ny tompon'andraikitra eny an-toerana.Ny Ministera dia mametraka ny fialan-tsiny amin'izay mety ho fanelingelenana aterak'izany fanapahana izany. Nangonin'i
Pati
Légende : Ho tapakakely ny lalam-pirenena faharoa aloha !
 

Dans la même rubrique