airtel

Fifamoivoizana

16-mai-2024

FANARAHA-MASO NY MOTO SY FIARA

Ho hentitra manomboka rahampitso zoma

Sample post image

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

16-mai-2024

fitaterana an-tanety sy ny foibe fitsarana fiarakodia mandritra ny faran’ny herinandro ho avy io izay hanamarihantsika ny Fetin’ny Pentekosta sy ny Alatsinain’ny Pentekosta. Ho hentitra araka izany ny fanaraha-maso ny kodiaran-droa sy ny fiara rehetra mivezivezy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hanomboka rahampitso Zoma 17 May izany ka hatramin’ny Talata 21 May ho avy izao. Halana avy hatrany eo ambony familiana izay mpamily fantatra fa nisotro zava-pisotro misy alikaola diso tafahoatra, raha ny fanazavana azo omaly. Tsy hitsitsy ireo mpamily fiara ahiana hitera-doza ho an’ny olona entina na hifanena aminy ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Miantso ny rehetra mba hitandrina araka izany izy ireo hisorohana ny loza mety hitranga. Nomarihin’ny foibe fitsarana fiarakodia manokana moa fa hivoha izy ireo hatramin’ny Sabotsy ho avy izao hahafahan’ireo olona hikarakara antontan-tarasina fiara manatona mba hahaara-dalana izany.
Pati
Legende : Hiasa mafy tahaka izao indray ny mpitandro ny filaminana !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap